logo
Alahady 18 mey 2008 Laharana faha-3571
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur

Tsotra
6 Mois : 9.200ar
1 An : 18.400ar

Fiaramanidina
6 mois : 9.600ar
1 An :1 9.200ar

Exterieur

Iles Océan Indiens
6 Mois : 90.000ar
1 An : 180.000ar

Autres pays
6 Mois : 100.000ar
1 An : 200.000ar

Fahasalamana

Fitandremam-pahasalamana amin’ny aretim-bavony

Mihoatra ny 80%-n’ny aretim-bavony dia saika vokatry ny mikraoby atao hoe hélicobacter pylori. Anisan’ny fiarovana voalohany dia ny fanasana tanana alohan’ny misakafo. Satria heverina fa ny tanana no anisan’ny mahatonga azy io ho ao anaty vavony. Tokony ho diovina tsara koa izay rehetra hiditra ny vava. Voalaza koa fa ny tebiteby lava na ny stress dia anisan’ny mankarary ny vavony. Mbola mitombina izany mandrak’ankehitriny ka tokony hanana fitonian-tsaina tsara isika na dia sarotra aza ny fiainana ary na dia misy olana saro-bahana aza.

Tsy maintsy ajanona ny sigara satria sady mankarary vavony no mampitarazoka ny fahasitranany eo ampitsaboana azy. Ny tena loza dia mampiverina azy na dia efa sitrana tsara aza ilay vavony. Amporisihana ny fihinanana sakafo toy ny anana sy ny voankazo. Fadiana ny hena matavy fa mahatonga ny vavony hamorona asidra betsaka ireny ka makarary azy. Atao antonony ny fisotroana zava-pisotro manaitaitra toy ny kafe, ny alikaola, ny coca, sy ny sisa. Mampitosaka ny asidra ao amin’ny vavony ny fisotroana betsaka an’ireny.

Tandremana ny fihinanana fanafody antsoina hoe anti-inflamatoires toy ny Aspirine, Diclofenac, ny corticoids. Efa fantatry ny dokotera ireo raha vao tenenina aminy. Rehefa tena marary vavony dia fadiana tanteraka ireo satria mahatonga hémorragie na ilay mivalandrà mainty be. Fa ny tena zava-baovao, tsy mankarary vavony araka ny niheverantsika azy hatrizay akory ireo sakafo masiaka toy ny sakay sy ny épices isan-karazany. Misy ilay antsoina hoe capsaïcine izay miaro ny vavony ao amin’izy ireny. Na izany aza anefa dia mba aleo moramora ihany isika amin’ny sakay satria raha be loatra ny sakay dia raharaha be koa ny mamoaka azy avy eo, indrindra raha misy hémorroïde.

Dr R.A.Mamy