![]() |
||||
|
||||
|
Redaction
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur
Tsotra Fiaramanidina Exterieur
Iles Océan Indiens Autres pays |
La Une
Misamboaravoara ny fiainam-bahoaka noho ny krizy politikaMampisamboaravoara ny fiainana sosialin’ny vahoaka ny krizy politika miseho lany ankehitriny.
Fihariana mikorontanaHo an’ny fizahantany, ohatra, raha naherin’ny 300 000 no isan’ny mpizahatany tamin’ny taon-dasa izay nampidi-bola maherin’ny 514 miliara ariary, ahiana hihena izany raha tsy ahitam-bahaolana anatin’ny fotoana fohy ny krizy. Ny 95%-n’ny hotely any Nosy Be sy Sainte Marie no nambaran’ny tomponandraikitra fa efa manidy varavarana noho ny tsy fisian’ny olona. Fa ankoatra ny fiantraika fohy ezaka sy antenantenan’ezaka ary lavitra ezaka eo amin’ny fihariana toy ny fahaverezana asa, dia misamboaravoara koa ny asa fanao andavanandron’ny mpiasa tena tsy mandray am-bolana. Mpamily taksi no nilaza fa fatiantoka iray lavaka no nahazo azy hatramin’ny niantombohan’ity krizy ity. “Niato avokoa ireo fifanarahana fanaoko andavanandro”, hoy izy. “Ny 12 000 Ariary versement isan’andro dia tsy tratra intsony ary na nahenan’ny tompon’ny fiara ho 6000 Ariary aza izany, mbola sarotra ny nahatratra azy”, hoy ihany izy. Iainan’ny ankamaroan’ny mpanao taksi izany, na tompony na mpanofa. Ao Antananarivo renivohitra moa no iaingan’ny hetsika amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara azy ka tsy mahagaga raha ao no ipoiran’ny hevitra isan-karazany izay ahitana ny sokajin’olona avy amin’ny lafy valon’ny Nosy. Fampianarana tsy mitombinaNa ny fotoana tsy nianarana tamin’ny herinandro taorian’ny zava-nitranga tamin’ny 26 zanvie aza dia efa mampiova zavatra lehibe eo amin’ny fianaran’ny mpianatra. Efa manana ny fandaharam-potoanany ny isan-tsekoly eo amin’ny famaritana ny andro hanaovana ny fanadinana. Tsy voahaja intsony izany noho io fahatapaham-pianarana io. Manahy ny ray aman-dreny sasany sao sanatria ho « taona fotsy » ity taom-pianarana ity raha mitarazoka ny fahitam-bahaolana amin’izao krizy izao. Ny eny amin’ny oniversite moa dia naato aloha ny fisoratana anarana ary tsy fantatra raha hiditra amin’ny volana marsa ihany na tsia ny mpianatra. Vokatr’izany, fitaintainana miaro tahotra no misy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra. Tahotra satria misy koa ireo olona sasany mihoa-pefy amin’ny tsy fahatantesana ny hevitry ny hafa ka manenjika izay tsy mitovy hevitra amin’izy ireo. Mampametra-panontaniana maro ny fisehoan-javatra izay toa misy mandrisika ny hampiadiana ny samy Malagasy. Satria amin’ny saina tsy miangatra, tsy hisy hankato ny fanaovana ny mpianatra madinika ho fitaovana politika, indrindra fa mizotra amin’ny fampiasana herisetra. Fanabeazana toy inona no homena ny zanatsika no rangitina amin’ny herisetra izy ireo ? Filalaovana sy fampiasana ankizy izany ka tsy mety. Zakan’ny feon’ny fieritreretan’ny nandrisika ireny ankizy ireny ve ny fihetsika toy izany raha tena Fitiavan-tanindrazana no manentana ? Izany ve no hanabeazana ny taranaka ? Misy tsy mety ny fomba fitantanana eto amin’ny firenena fa tsy tokony hatao fitaovana politika ny mpianatra. Ny mpitondra no tokony hisaina lalina. Famatsiana mampijaly Amin’ny izao fotoana hanoratana izao (16 fevrie 2009), na dia misy avokoa aza ny entana ilaina andavanandro, niakatra be ny vidiny. Efa nasiana resaka teto ny amin’izany (zahao Lakroa 15 fevrie 2009, p.10: Krizy politika, mizaka ny vokany ny mponina sy ny toekarena). Mbola isan’ny niaka-bidy be, ohatra, ny vidin’ny saribao. “Tafakatra 14 000 Ariary ny gony fividy 9000 Ariary talohan’ny krizy”, hoy ny renim-pianakaviana iray. Mbola tsy dia nisy fiantraikany izany ilay fihenam-bidin’ny solika tamin’ny 9 fevrie. Lasa 2150 Ariary ny litatry ny gazoala 2200 Ariary teo aloha ary 2400 Ariary ny lasantsy tsotra 2500 Ariary teo aloha. Eo amin’ny fahasarotan’ny fitaterana no voalaza fa mahatonga ny olana. Tsy dia nisy fiovana anefa ny saram-pitaterana amin’ny ankapobeny. Ny fisondrotry ny vidim-bary tampoka taorian’ny 26 zanvie izay naharitra andro vitsy moa dia nampisy fiantraikany lehibe teo amin’ny kitapombola’ny fianakaviana. Raha vary fividy manodidina ny 1100 Ariary manko no lasa 1500-1600 Ariary ny kilao, manova zavatra izany amin’ny fitantanana ny enti-manana ny filàna samihafa. Izany rehetra izany moa dia vokatry ny ampihimamban’olom-bitsy fototry ny olana iainantsika izay efa nasiana resaka teto koa (Zahao Lakroa 15 févrie 2009, pejy 3 : Ratsy mandrakariva ny ampihimamba). Dia manjary ny samy Malagasy no mifanambaka tsy fidiny. Hevitra mampiadyTsy hay koa ny tsy hiteny ny fisian’ny fiantraika ara-tsaina sy ara-pifandraisana eo amin’ny samy mpiara-belona avy amin’ity krizy politika ity. Raha ny marina, fitaizana lavitra ezaka ny amin’izy ity satria toa samy miseho ho manana ny marina avokoa izay rehetra miteny mikasika ny politika na dia ireo milaza ho tsy manao politika sy leo politika aza. Hatrany anaty fiara fitateram-bahoaka misy radio mandeha no ipoiran’ny tsy fahazakana ny tsy fitovian-kevitra ka mahatezitra sy mampanangam-bovona ny olona sasany. Indrisy, misy koa ny tokantrano na mpihavana mifandrafy noho ny hevitra tsy mitovy. Ao koa ny mpiara-miasa mifanondro molotra noho ny fironana samy hafa. Tsy tokony hifandrafy noho ny hevitra tsy mitovy anefa isika ka sanatria ny hiady an-trano araka ny ahiahin’ny eveka katolika. Fotoana izao handinihana lalina ny amin’ny tena hampiharana ny fihavanana, soatoavina mampalaza antsika. Ho an’ny firaisam-pirenena sy ny soa ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka. |
|
||