![]() |
||||
|
||||
|
Redaction
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur
Tsotra Fiaramanidina Exterieur
Iles Océan Indiens Autres pays |
La Une
Mba jereo fa tena reraka ny fianakaviana Malagasy !Mikaikaika ny ankamaroan’ny fianakaviana Malagasy eo anatrehan’ny vidim-piainana midangana loatra ankehitriny. Tsapan’ny maro ho mihatery hatrany ny fahefa-mividy. Toa tsy misy fepetra raisin’ny mpitondra hanalefahana izany. Iza no itarainana ? Miantso vonjy mangina ny vahoaka.
Raha ny hamaroan’ny fiarakodia mifamezivezy ao andrenivohitra, dia tahaka ny hoe manana fiarakodia daholo ny olona. Ampahana sarangan’olona amin’ny fianakaviana Malagasy anefa izy ireny. Isan’ireny ny olona manana andraikitra ambony amin’ny fitondram-panjakana sy ireo izay efa manana rahateo. Manana ny fomba fiainany, araka izay saranga misy azy. Any amin’ny grande surface no fiantsenany. Zavatra en vrac no fividiny. “Efatra alina sy iray hetsy ariary izao ireto entana novidiko tao amin’ny Shoprite ireto”, hoy Rtoa Raliza. Saika tahaka izay foana no fividiny isan-kerinandro rahefa hanao provision izy, araka ny nambarany. Roa ny zanak’izy mivady ary tomponandraikitra ambony amina orinasa lehibe ny vadiny. Fiarakaretsaka no fandehanany rahefa hiantsena raha tsy afaka manatitra azy ny vadiny. Ankehitriny anefa, telo arivo ariary ny course iray izay ambany indrindra. Tsy mampihontsona azy koa ny vidina menaka fihinana 4200 Ariary ny litatra mampikaikaika ny maro na dia asiany fimenomenonana kely aza. Telo sy efatra tavoahangy no fividiny. Torak’izany koa ny siramany 2000 Ariary ny kilao anaty fonosana sy ny ronono ambifotsy 2400 Ariary ny boaty ary ny fromazy hatrany amin’ny 12 000 Ariary ny kilao. Ny riz de luxe 1600 ariary ny kilao no fividiny. Ankoatra ireo ny fandaniana hafa eo amin’ny andavanandrom-piainan-dry Rtoa Raliza. Ala voliny ny fanofàna horonantsary amin’irony boaty mpampanofa filma irony, miampy ny jeux playstation filalaon’ny zanany. Ao anatin’ny tontolom-piainan’ny fianakavian-dRtoa Raliza koa ny fampiasana finday. Samy manana izy efa-mianaka ao an-trano. Midangana ny vidim-piainana Tontolo roa mifanohitraAndaniny azo ambara fa manana ny ampy hiatrehana ny vidim-piainana ny fiainan-dry Rtoa Raliza. Fa ankilany koa ireo sokajin’olona sahirana amin’ny ankapobeny manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra. Isan’ireny ny fianakavian’Ingahy Raleva. Enina mianaka ry zareo no miara-monina. Mpikarama amin’ny orinasa tsy miankina ity raim-pianakaviana ity. Mandray 150 000 Ariary eo ho eo isam-bolana. Tsy ampy amin’ny filàna io fa Rtoa Rasoa vadiny no miara-misalahy aminy amin’ny fikaramana manao zaitran’olona. “Tsapa sy hita ho mafy ny fiainana tamin’ity fitondrana ity, hoy izy, ary tena nihamafy izany tamin’ity taona ity”. Rahefa tratry ny tsy fahasalamana no tena ahitana taratra izany, hoy izy. Nambarany fa aretina miendrika tazo nahazo ny zanany faralahy niovàna dokotera indroa no efa nandaniana efatra alina ariary. Tao anatin’ny herinandro monja. Sahiran-tsaina aok’izany izy niantsena tamin’ny ankatoky ny Pantekôty teo. “Manadrohadro ve ianao Ramose sa manatsafa manontany ny amin’ny fiatrehana ny fiainana ankehitriny ?”, hoy Rtoa Rasoa raha nanontaniana mikasika ny fandaniana tamin’ny Pantekôty. Notsoriny fa vola dimy arivo sy iray alina ariary no nentiny niantsena saingy tsy dia manao ahoana ny entana azo tamin’izany noho ny vidin’izy ireny midangana. “Rahefa misy ilaofana miavaka kely noho ny andavanandro sy mahafalifaly dia izay no zava-dehibe”, hoy izy. Santionany nentiny nanamafy ny halafon-javatra ny vidin’ny voankazo. “Taiza teto amin’ity tany ity, hoy izy, no nisy papay 3000 Ariary ny iray, paoma 2000 Ariary ny kilao, voasary 200 na 300 Ariary ny singany iray ?” “Ny hena sy ny trondro dia mahalana no ahitana izany amin’ity vidiny mananika ny 5000 Ariary no ho mihoatra ny ankamaroan’ny kilaony”, hoy ihany izy. Tsy kivy na izany aza ry Rtoa Rasoa fa miezaka ny hifalifaly amin’ny vanim-potoanan’ny fety. “Soa fa mba misy io fahitalavitra io izay sady hijerena vaovao no hialana voly”, hoy Rtoa Rasoa. Toy ny fanaony isan-taona dia mivavaka ny ankohonany rahefa Pantekôty ary manararaotra mba miala sasatra ao an-trano aorian’izany. Ny ankizy no mandeha raha mazoto mitsangantsangana eny amin’ny manodidina eny. Nisy fotoana tany aloha afaka nisintaka kely tany ambanivohitra ry zareo fa ankehitriny efa tsy vita intsony izany noho ny fahateren’ny fahefa-mividy. “Ny saran-dalan’izy telo mianadahy amin’ny taksibe mandeha mianatra any an-tanàna aza, efa raharaha be ny mitady azy”, hoy Rtoa Rasoa. Satria ariary 600 isan’ankizy isan’andro no ilaina ary telo ny ankizy mila izany. Indraindray mandeha an-tongotra rahefa tsy mahita. Ny sakafo antoandro dia efa vimbinina maraina. Afaka bakalorea ny iray amin’ny zanaky ry Rasoa mivady saingy tsy tafiditra teny Ankatso. Na te hanohy amin’ny tsy miankina aza, tsy afaka satria tsy zakan’ny fahefa-mividin’izy mivady ny saram-pianarana. Ka dia mivarobarotra etsy sy eroa hifanampiana amin’ny ray aman-dreny no ataony mandrapahita izay asa mba mety kokoa. Ahoana tokoa moa no hahafahan’ny fianakaviana toy ny an’Ingahy Raleva handoa saram-pianarana telo alina na dimy alina ariary isam-bolana ? Misy rafitra tsy mirindraKisary roa mifanohitra maneho ny zava-misy sasany iainana ankehitriny eo anivon’ny fianakaviana Malagasy ireo. Tsy mbola toa an’ny fianakavian-dRaliza daholo anefa ny ankamaroan’ny Malagasy na dia ny toa azy aza no mba fanirian’ny maro, araka ny teny filamatry ny filoham-pirenena fahiny hoe “ny hampanankarena ny tsy manana no hatao”. Aiza ho aiza ny zava-misy ankehitriny ? Nazava ny nambaran’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) tamin’ny hafatra tamin’ny Pantekôty teo : midangana ny vidim-piainana. Amin’ny saina tsy miangatra, sahala amin’ny fiainan’ny fianakavian-dRasoa ny ankamaroan’ny fiainan-dRamalagasy. Misy aza ny ambany lavitra noho izany, bokan-trosa mandavan-taona. Mety ho fijery matroka no fahitana ny tarehin-javatra kanefa dia izany no zava-misy. Mila vonjy ny ankamaroan’ny vahoaka. Mila fiahiana ara-tsosialy mitombina hahafahany mioitra hialana amin’ny fahantrana mangeja. Misy rafitra miangatra eto tsy hahafahan’ny maro mivelatra. Mitaky fihavaozana, mitaky fahatsiarovan-tena avy amin’ny mpitondra hitsinjo marina ny soa iombonana. |
|
||