![]() |
||||
|
||||
|
Redaction
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur
Tsotra Fiaramanidina Exterieur
Iles Océan Indiens Autres pays |
Fanadihadiana
Tafa sy dinikaTsy tapaka ny fampianarana teny alemà Lkr : Efa 100 taona no nisy ny fampianarana ny teny alemà. Mandray anjara mavitrika mampahafantatra ny kolontsaina alemanina ny CGM, Cercle germano-malagasy. Toa Antananarivo ihany anefa no mahazo tombontsoa. Ny fahitanao izay ?RKF : Eto Antananarivo ihany tokoa no misy ny CGM. Antananarivo sy ny manodidina ihany izany no mahazo tombony. Tsy azo hadino anefa fa araka ny nambarano teo dia efa 100 taona no nidiran’ny fampianarana ny teny alemà tany an-tsekoly. Tsy tapaka mihitsy izany na inona fitrangan’ny tantara teo amin’ny firenena roa tonta sy maneran-tany. Lkr : Raha ho an’ny alemà dia tsy mba misy ireo teratany mampianatra ny teny (coopérant na karazana Peace corps).RKF : Tsy manana izany izahay. Fa misy kosa ireo Malagasy efa nianatra tany Alemanina. Mikambana ao anatin’ny Agerma, Association des germanistes malgaches. Mifanohana izy ireo. Mavitrika mampianatra ny teny alemà any an-tsekoly, toy ny lisea. Lkr : Mifandray akaiky amin’ny mpanao gazety ianao. Ahoana ny fahitanao ny asan-gazety eto ?RKF : Miezaka ianareo mpanao gazety hanao ny asa tandrify anareo. Maro ny gazety. Mavitrika izany ny tontolo. Raha ny fanohanana avy amin’ny Alemanina dia nisy ny ezaka ataon’ny fitondrana fanjakana. Manome vatsim-piofanana any Alemanina ho an’ny mpanao gazety vitsivitsy ny fanjakana alemanina. Mivondrona ao anatina fikambanana izao ireo efa nahazo izany vatsim-piofanana izany. |
Lire aussi
| ||