![]() |
||||
|
||||
|
Redaction
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur
Tsotra Fiaramanidina Exterieur
Iles Océan Indiens Autres pays |
Fanadihadiana
Endriky ny firotsahan’i Alemanina eto Madagasikara15 mai 1883 – 25 mai 2008. Feno 125 taona ny nanaovana sonia ny fifanarahana teo amin’ny fitondrana malagasy fahizany sy ny mpitondra alemà. Hetsika maro no ho hita. Fanasana ataon’ny Ambasadaoro mivady ny 16 mey. Hetsika ara-toekarena. Fampirantiana eny Andohan’Analakely (12-17 mey 2008) ahitana ny karazana asa hirotsahan’ireo alemà. Tsy diso anjara amin’ny fanamarihana ny kolontsaina satria misy ny hetsika samihafa ao amin’ny CGM, cercle germano-malagasy, sy amin’ny toerana hafa. Ny politika dia manam-pahefana avy any alemanina no ho tonga eto. Nandritra ny fitondran-dRavalomanana dia navitrika ny fiaraha-miasa. Maro ny sehatra niantsoana ireo alemà (mpanazatra baolina kitra h o an’ny ekipam-pirenena, mpitantana ny Jirama sy Ari Madagascar, eo indray izao ny Kfw momba ny fananganana ny banky malagasy…) “Ny maha-mpisakaiza no simenitra nandrafitra ny 125 taona”
Lkr : Misaotra anao Atoa Ambasadaoro. Tsy mba manano sarotra ny fangatahana fihaonana aminao.AWM : Izay no anjara asako ny manazava ny momba ny firotsahan’ny Repoblika Alemanina sy ny Alemà eto Madagasikara ary mamporisika ny roa tonta (malagasy sy alemà) hanamafy ny fifanakalozana. Lkr : Misy daty roa ho marihinareo manokana amin’ity taona ity. Inona avy moa izy ireo ?AWM : Feno 125 taona ny 15 mey izao ny nanaovana sonia ny fifanarahana teo amin’ny mpitondra malagasy sy ny mpitondra alemà. Ny faharoa dia feno 100 taona amin’ity taona ity koa ny nampidirana ny fampianarana ny teny alemà teto Madagasikara. Lkr : Raha ny momba irý voalohany, ilay fifanarahana izany, inona no nahatonga azy io ?AWM : Ara-tantara izany. Ny rivotra politika nitsoka tamin’izany fotoana izany no nanosika ny roa tonta hifanatona. Tamin’ny taona 1883 isika. Efa nahazo vahana ny fanjanahana tamin’izany. Tsiahiviko ohatra fa ny taona 1884 no natao tao Berlin ny fifanarahana momba ny famaritana ny sisin-tany mamaritra ny firenena samy hafa ao Afrika. Niavaka i Madagasikara tamin’ny 1883. Isan’ny firenena nanana ny fahaleovantenany sy fiandrianany izy. Firenena vitsy no nanana izany tamin’izany vanim-potoana izany. Hiarovan’ny mpitondra malagasy an’izay dia nandefa iraka tany ivelany ny mpitondra malagasy (Ttf : Ravoninahitriniarivo sy Ramaniraka ireo). Nalefa hifandray amin’ny firenena rehetra ary isan’izany i Alemanina. Ary dia io niafara tamin’ny fanaovana sonia ny fifanarahana io ny dia tany Alemanina. Izay no fahatsapana ny zava-nitranga tamin’izany fotoana izany. Lkr : Hevitra inona tao anatin’ny fifanarahana no mavesa-danja ho anao ?AWM : Roa no singaniko. Ny fandriampahalemana (paix) sy ny fisakaizana (amitié). Heveriko fa ity faharoa ity no tsara asongadina. Tena simenitra nandrafitra ny fiarahana nandritra ny 125 taona ny fisakaizana. Io no nahatonga an’i Alemanina ho firenena faharoa nandefa ambasadaoro taty Madagasikara tamin’ny volana jona 1960. (Ttf : firenena voalohany taorian’i Frantsa izany). Noho io fisakaizana io koa no nanasana ny Filoha Ravalomanana tany Alemanina tamin’ny taona 2003. Nandritra ny fankalazana ny faha-120 taonan’ny fifanarahana izany. Fisakaizana eo amin’ny malagasy sy ny alemà izay tsy midika ho fiadivana amin’ny firenena hafa akory. Lkr : Tsy tapaka mihitsy moa izany ny fifanarahana teo amin’i Madagasikara sy Alemanina ?AWM : Tsy tapaka mihitsy. Nihena angamba nandritra ny fanjanahana. Niova endrika nandritra ny Repoblika faharoa teto Madagasikara satria ny Repoblika Demokratika Alemanina (TTF : RDA) no nofinidin’ny mpitondra malagasy niarahana. Izany hoe mbola alemà ihany izany. Lkr : Inona avy no sehatra ahitana ny alemà eto Madagasikara ?AWM : Ny toekarena no nanombohana ny fiarahana. Eo ny kolontsaina amin’ny alalan’ny CGM. Ny fampandrosoana sy sosialy amin’ny alalan’ny GTZ sy KFW. Maro tsy ho voatanisa. Lkr : Inona no tombontsoa azon’ny alemà miaraka amin’i Madagasikara ?AWM : Tsy mba mihodinkodina aho rehefa miresaka. Manana vanila, ylang-ylang, sokolà ianareo. Izahay manana Mercedes sy zavatra maro hafa. Tsy manafatra zavatra betsaka izahay fa zavatra tena tsara kalitao no hita aty Madagasikara, ary izahay mamokatra entana tsara kalitao. Ireo no ampifandraisina. Lkr : Rehefa jerena akaiky dia mividy ny entana vita avy any Alemanina ny eto, mpanjifa izany ny Malagasy, fa tsy manangana ozinina, toy ny fanamboarana fiara, ianareo. Inona no mahatonga izany ?AWM : Ny fananganana ozinina manamboatra fiara alemà no lazainao. Efa misy atsy Afrika Atsimo. Betsaka ny zavatra efa ataon’ny alemà ao Afrika Atsimo ka tsy afaka ny hifamono. Ankoatra izay koa dia eo ny maha nosy an’i Madagasikara. Mampitombo ny mason-karena izany. Tsy tahaka ny fanaovana jean izany. Heveriko fa ny tsara tohanana dia ny orinasa madinika sy salantsalany. Marihiko koa fa isan’ny vato misakana ho an’ny teratany alemà ny fitenim-pirenena. Vitsy no ahazo ny teny alemà ny mpandraharaha sy mpiasa eto Madagasikara. Lkr : Ny fototry ny ezaka ataon’ny mpitondra malagasy ankehitriny dia ny fiovana maitso lehibe (révolution verte). Toa tsy hita manosika izany ianareo, tahaka ny famerenana ny ivotoerana toy izay nisy tany Vinaninkarena, Antsirabe ? AWM : Firenena maro (Eoropa, Amerika…) no miara-miasa amin’i Madagasikara momba ny révolution verte sy mirotsaka manohana ny politikan’i Madagasikara momba ny famokarana amin’ny fambolena. Manjary mifanitsaka raha samy any daholo. Ny ataonay dia manohana toerana, tanàna izany, manokana vitsivitsy mba tsy ho tototry ny fasika ny tanimbary. Lkr : Raha momba ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta manao ahoana ny amin’izany ?AWM : Tsy haiko tsianjery ny tarehimarika. (Lasa naka ny antonta n-taratasiny Atoa Ambasadaoro). Mahatratra 35 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny entana aondrana avy aty Madagasikara ho any Alemanina ary 99 tapitrisa dolara kosa ny avy any Alemanina mandeha aty Madagasikara tamin’ny 2006 io. Lkr : Tsy mifandanja loatra izany. Raha eo amin’ny lafiny politika na diplomatika kosa manao ahoana ny amin’izay ?AWM : Marina ny voalazanao. Tsy mifandanja. Fa izahay koa dia manohana ny fanjakana momba ny tetibola (aide budgétaire). Raha ny lafiny politika sy diplomatika, ho anay dia tsara ny fiarahana. Raha misy fangatahana fanohanana ilain’ny Alemà dia teo ny Malagasy. Ohatra ny fifidianana ny lehiben’ny tribonaly iraisam-pirenena momba ny ranomasina, nanohana ny kandidà natolotr’i Alemanina i Madagasikara. Tahaka izany koa raha nirotsaka tao amin’ny vaomieran’ny zon’olombelona, ao amin’ny Firenena mikambana, i Madagasikara dia nanohana izany Alemanina. Lkr : Entina hamaranana, Atoa Ambasadaoro, mpandalina ny momba ny sinoa (sinologue) ianao. Efa niasa tao Afrika koa. Akaiky an’i Afrika sa i Azia ny Malagasy ? AWM : Samy hita eo amin’ny Malagasy avokoa ny taratra maha afrikanina sy maha aziatika. Misy toerana ny maha-aziatika no mavesa-danja. Misy toerana hafa kosa dia ny maha-afrikanina indray no mavesa-danja. Na izany aza heveriko fa akaiky an’i Azia ny Malagasy. |
Lire aussi
| ||