![]() |
||||
|
||||
|
Redaction
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur
Tsotra Fiaramanidina Exterieur
Iles Océan Indiens Autres pays |
Religion
Inona ny euthanasie ?
Voalohany, mety tsy mahasoa ny marary mafy an-dàlam-pahafatesana avokoa akory ny fitsaboana medikaly rehetra izay manalava ny ainy. Takian’ny làlan’ny moraly ara-pitsaboana isika mba handray ny fomba mahazatra fa tsy fomba miompampana amin’ny fitandrovana ny aina tsy ho faty. Jerena amin’izany ny mety fahafahampahasitranan’ilay marary, ny fandaniana ara-bola sy ny herim-po tafiditra amin’ny fikarakaran’ny manodidina ny marary ary ny fahavononan’ilay marary ho faty. - Azo atao ny manapa-kevitra tsy hampiasa fitaovana sy fanafody manalava ny aina izay hita fa tsy manam-pahafahana ho sitrana. Tsy mba meloka amin’ny moralim-pitsaboana anefa ny tsy fampiasana indrindra raha fitaovana miompampana. - Mety ho efa nampiasa fitaovana miompampana ny mpikarakara mba hitazomana ny aina ka manapakevitra indray tsy hampiasa ireny fitaovana ireny. Tsy diso izy ireo amin’izany fanapahan-kevitra izany. - Azo ampiasaina ny fitaovana na fanafody hanamaivanana ny fijalian’ny marary. Mety mitondra amin’ny fahafatesana anefa ny fanafody. Tsy misy mahameloka ny fampiasana fanafody toy izany kanefa tokony hampahafantarina ny marary. Samihafa ny mikasa hanamaivana ny fijalian’ny marary amin’ny fanafohezana ny androm-piainany sy ny mikasa hanaimavana ny fijaliany kanefa izany fanamaivanana izany mety mitondra amin’ny fahafatesany. - Meloka izay manampy ny marary hamono tena na dia mangataka hamono ny tenany aza ny marary. |
Lire aussi
|
||