logo
Alahady 18 mey 2008 Laharana faha-3571
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur

Tsotra
6 Mois : 9.200ar
1 An : 18.400ar

Fiaramanidina
6 mois : 9.600ar
1 An :1 9.200ar

Exterieur

Iles Océan Indiens
6 Mois : 90.000ar
1 An : 180.000ar

Autres pays
6 Mois : 100.000ar
1 An : 200.000ar

Religion

Det. 8, 2-3. 14b-16a ;
Sal. 147, 12-20; 1 Kor. 10, 16-17; Jn. 6, 51-59

ALAHADY
25 mey 2008
Trinite Masina

« Jesoa Kristy : Mofo mahavelona »

Nandinika ny misiterin’ Andriamanitra Trinite Masina ny kristianina tamin’ny alahady lasa teo. Mandinika ny Olona faharoa ao amin’ny trinite Masina kosa amin’ity alahady ity. Io Olona faharoa ao amin’ny Trinite Masina io no tonga nofo sy nidina tety an-tany ary niara-nonina tamin’ny olombelona. Nohariny tamin’ilay mana nirotsaka avy any an-danitra, sakafon’ny vahaoka Israely tany an’efitra ny tenany ka nilazany hoe : « Izaho no mofo velona izay nidina any any an-danitra » (Jn. 6, 51).

« Namahana anao tamin’ny mana, izay tsy fantatrao, na fanatry ny razanao [Izy], mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany noiveloman’ny olona, fa izay rehetra mivoaka avy amin’ny vavan’Andriamanitra… » (Det. 8, 3b). Tsiahivin’ny Vakiteny voalaohany anio ny hafatrafatr’i Moizy tamin’ny vahoaka Israely fony izy ireo hiditra ny tany nampanantenaina, rehefa namakivaky tany efitra nandritra ny efa-polo taona. Nandia lalan-tsarotra ny vahoaka tamin’izany Dia tany an’efitra izany ; fandosirana no nialana tany Ejipta, loza maro no natrehina (bibilava mahamay, maingoka) teny an-dàlana, fa indrindra indrindra ny hetaheta sy hanoanana. Nomba azy ireo anefa ny tànan’ny Tompo. Nanome rano azy ireo avy tamin’ny vatolampy ; nampidina mana, hanina mahagaga, ho sakafon’izy ireo. Tandindona ihany anefa izany fa i Kristy, ilay nidina avy any an-danitra no tena Rano miboiboika sy tena Mofo mahavelona.

« Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra » [Jn. 6, 51 ; Vakiteny fahatelo, ny evanjely]. Ireo vahoaka izay nihaino an’i Jesoa tamin’izay ka nahalala ny tantaran’ny mana, ilay mofo nidina avy any an-danitra, dia tafintohina tamin’ny fanambarany fa « mofo nidina avy any an-danitra » ihany koa Izy. Ahoana no maha mofo Azy ? Ny tenany, ny vatany no lazainy fa fihinana. Ny ràn’ny tenany no lazainy fa fisotro… « Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny nofony hohanina ? » (Jn. 6, 53). Fa vao maika nohamafisin’i Jesoa ny fanambarany fa « tena fihinana ny nofony ary tena fisotro ny rany » (Jn. 6, 56). Ekena fa tsy hain’ny saina azavaina ny mihevitra ny vatan’ny Tompo, ny nofony sy ny rany, ho « zavatra fihinana ». Vao mainka tsy hain’ny saina azavaina ihany koa ny mihevitra ny mofo-hostia sy ny divay ampiasaina amin’ny Lamesa ankehitriny, ho Vatana aman-dRan’i Kristy. Ny finoana ny asan’Andriamanitra Ray eo anivon’izao tontolo izao sy ny finoana ny tenin’i Jesoa Kristy no hany làlana tokana ahazoana izany.

« Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va ? Ary moa ny mofo izay vakîntsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va ? ». Fanontaniana mitaky valiny « eny » no entin’i Md Paoly [vakiteny faharoa] milaza ny hevitra lalina fonosin’ny Eokaristia : Eny, ny Eokaristia dia firaisana (komonio) amin’ny Vatana sy ny Ran’i Kristy. Miforona ho tena/vatana iray ao amin’i Kristy ireo rehetra manao Komonio.

« Miankohofa mba hitsaoka ity Mistery lehibe ! … Ny Finoana anie hameno izay tsy mety ho azontsika…» [Tononkira fitsaohana ny Sakramenta Masina]

Malala

Lire aussi