logo
Alahady 18 mey 2008 Laharana faha-3571
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur

Tsotra
6 Mois : 9.200ar
1 An : 18.400ar

Fiaramanidina
6 mois : 9.600ar
1 An :1 9.200ar

Exterieur

Iles Océan Indiens
6 Mois : 90.000ar
1 An : 180.000ar

Autres pays
6 Mois : 100.000ar
1 An : 200.000ar

Religion

Fivoriana fandalinan-kevitra

Ny fipetraky ny resaka katesista eto Madagasikara

Nandalina ny soridalana manoritsoritra ny fanabeazam-pinoana momba ny katesizy (Directoire général de la catéchèse) ny arsidiosezy roa aty atsimo. Natao tao Fianarantsoa ny 23, 24 ary 5 avrily teo izany izay notarihin’i Mgr Gaétan Di Pierro, evekan’ny diosezin’i Moramanga, filohan’ny Vaomieran’ny eveka momba ny fandalinam-pinoana sy ny baiboly. Teo koa ireo mpiara-miasa aminy.

Manan-danja lehibe eo amin’ny fampitana ny finoana eto Madagasikara ny katesista. Izany no nahatonga ny CSER (Centre salésien d’études et recherches St Thomas d’Aquin) ao Fianarantsoa, nanao fivoriana fandalinan-kevitra indroa miantoana. Ny voalohany dia fandalinana ny “Katesista eto Madagasikara”. Ny vokatra azo tamin’izany dia ny fanadihadiana natao momba ny zava-misy eto Madagasikara amin’ny fampianarana ny katesizy. Ny faharoa dia natao handinihina ny Soridalana momba ny fandalinam-pinoana izay natolotry ny Congrégation ho an’ny Clergé tamin’ny 1997. “Zava-dehibe ny tsy maintsy handinihana ny fiainan’ny katesista sy ny fandalinana ny finoana”, hoy i Mgr Gaëtan Di Pierro. Nahitana solontena nandray anjara avokoa ny arsidiosezy roa aty atsimo. Nanatevin-daharana ireo mpikatroka any ifotony ireo pretra sy relijiozy. Nahazo tombony koa ireo tanora mpiofana ho pretra. Nankahery ny mpizaika ny fanatrehan’i Mgr Fulgence Rabemahafaly arsevekan’i Fianarantsoa sy Alfredo Caires De Nobrega, evekan’i Mananjary.

Katesista, mpandraharaha ara-pastoraly

Araka ny fanadihadiana nataon’i mompera Antonino Romano (ITST) momba ny katesista dia miisa 2600 izy ireo manerana ny Nosy. Lahika eo amin’ny 35 ka hatramin’ny 40 taona ny salan-taona misy azy ary maro an’isa ny lehilahy, vita mariazy ny ankamaroany. Ny 90%-n’ny katesista dia tsy manana diplaoma saingy vonona hampita ny finoana. Misy amin’izy ireo no aroson’ny kristianina, ao kosa ireo voafidin’ny pretra. Mihevitra izy ireo fa antson’Andriamanitra io asa fanompoana ataony io, noho izany matoky ny asan’ny Fanahy Masina. Maro amin’izy ireo no sahirana amin’ny lafiny fivelomana. Ny kristianina eo amin’ny fiangonana iasany no miahy ny fanampiana azy ireo, ny pretra manome vola indray mandeha isambolana. Tsapa fa tsy ampy fitaovana izy ireo. Tsy fiofanana sy fahalalana ny baiboly na ny tantaran’ny fiangonana. Hany ka toa afangaron’izy ireo indraindray ny finoana sy ny fomban-drazana. Izy ireo anefa no mifanosina amin’ny vahoaka, mitarika fivavahana, manomana ny sakramenta, mampianatra katesizy.

Hatrany am-piandohany dia tompondraharaha voalohany tamin’ny fampidirana ny finoana niaraka tamin’ireo misionera vahiny ny katesista. Tsy mpandika teny fotsiny ihany fa nahay nitady fomba araka ny toerana misy ny hampitana ny finoana. Ny kolontsain’ny malagasy tia hira, ohatra, no nampidirany ny fampianarana ny baiboly tamin’ny Zafindraony. Izy ireo no mpanamboatra ny hevitry ny misionera. Saika mpampianatra ny katesista tany aloha. Tsara kokoa ny foto-pivelomany. Nisongadina tamin’ny fampitana ny finoana ry Pierre Ratsimba, nampianatra, nampiofana ireo katesista. Ny toeram-piofanana ho katesista ao Andriamboasary Fianarantsoa dia vokatry ny fampiharana nataony, 128 taona lasa izay. Tsy hihanona amin’ny katesizy tsianjery fotsiny.Nandalina ny fotopototry ny finoana, nanana hafanam-po, fiainam-panahy mafy fototra ka nitondra fampivoarana ny maha olona. Vavolombelon’izany ny fijoroan’i Victoire Rasoamanarivo.

Mijery ny maha olona

Ny katesizy mampivoatra ny maha olona no miandry an’ireto mpandraharaha pastoraly ireto, araka ny hevi-dehibe ao amin’ny soridalana momba ny fandalinam-pinona. Iza io olona manoloana ahy hitondrako ny Tenin’Andriamanitra io ? Endrik’i Jesoa tonga nofo, izy ilay manana ny endrika maha Andriamanitra sy maha olombelona. Noho izany, katesizy mitory ny Trinite Masina sady manambara fiaraha-monina no manome aina sy mamelona ny finoana kristianina no ampitaina. Raha bangoina dia olona miresaka, mihaino ny tarainan’ny vahoaka ny katesista, ary mitady fomba hamonjena azy.
Ny politikan’ny fampandrosoana misy eto Madagasikara dia ny Map, faniriana ny hialana amin’ny fahantrana. Miasa, mamokatra. Miasa ny olona mba hamokatra. Rehefa jerena akaiky dia lasa fitaovana ny olona. Ary toa ny mahantra no vonoina fa tsy ny fahantrana. Ny foto-pampianaran’ny fiangonana momba ny fiaraha-monina anefa dia manaja ny zaza hatrany ambohoka, manaja ny antitra, manome asa ny tanora. Anjaran’ny kristianina no mitondra fahazavana amin’ny alalan’ny fandalinana ny katesizin’ny fiaraha-monina ara-tsosialy. Mila fanavaozana ny fomba fampitana na fampianarana ny finoana eto amintsika. Tsy hihanona amin’ny hoe “Vita raha jiaby”, fa mitohy hatrany eo amin’ny tanora vita konfirmasiona, ireo lehibe vita mariazy. Noho izany mila olona manam-pinoana sy fitaovana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Tsy hihanona amin’ny katesizy tsianjery fotsiny. Fa miditra lalindalina amin’ny maha aina ny finoana azy. Manome ny soridalana amin’izany ny “Directoire général pour la catéchèse”. “Samy afaka manovo hevitra ao, hoy i Mgr Gaétan, mba hisian’ny fiombonana fa azo ampifanarahana koa amin’ny faritra misy ny fomba fampitana”. Ny fotopototry ny finoana dia tsy miova ary ny tanjona dia ny “famonjena”. Miroso tanteraka amin’ny fanatontoloana izao tontolo izao. Mazava ny vavak’i Jesoa hoe “mba ho iray izy rehetra”. Izany hoe ao anatin’ny fahasamihafana, toy ny fiainana ao amin’ny Trinité Masina, nefa iray ihany. Noho izany fanovozan-kevitra lehibe ny Baiboly, ny Aban’ny Fiangonana, ny taratasin’ny Papa toy ny Fampianaran’ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina ho an’ireo mpandraharahan’ny fiangonana. Miezaka mamokatra boky (misy 30) koa ireo ao amin’ny filankevitry ny fandalinam-pinoana sy Baiboly nasionaly ho fanovozan-kevitra. Hanampy ny olona handray andraikitra, ho lalivay eo amin’ny fiaraha-monina, mba ho lasa fiainana ny katesizy.

Lire aussi