logo
Alahady 22 fevrie 2009 Laharana 3609
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur

Tsotra
6 Mois : 9.200ar
1 An : 18.400ar

Fiaramanidina
6 mois : 9.600ar
1 An :1 9.200ar

Exterieur

Iles Océan Indiens
6 Mois : 90.000ar
1 An : 180.000ar

Autres pays
6 Mois : 100.000ar
1 An : 200.000ar

Religion

Ny Kristianina sy ny fahafahana

Sarobidy ny fahafahana na ny fahalalahana ary mahasaro-piaro indrindra izy rehefa voatohintohina. Ny manao na miteny izay tiana atao sy izay tenenina ve no antsoina hoe olona afaka? Ary mba ahoana ny fahafahana kristianina?

Mety ho samy hafa ny hevitry ny teny hoe fahafahana sy ny fahalalahana kanefa mifandray ireo teny ireo rehefa jerena akaiky ka ampiasaina ho mitovy dika amin’ity lahatsoratra ity. Betsaka ireo efa nanoratra momba ny resaka fahafahana. Mety azo atao tsara anefa ny mamaritra ireny ho sokajy telo: fahafahana fototra, ny fahafahana mikatsaka ny kanto sy ny tsara ary ny marina, fahariana tontolo iray anjakan’izany fahahafahana izany. Ndeha hofakafakaina izany karazam-pahafahana izany.

Fahafahana fototra

Ao anatin’ity sokajy voalohany ny fahalalahana miteny, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahalalahana mihetsika etsy sy eroa. Tafiditra ao anatin’ny fahafafahana fototra ity ihany koa ny fahalalahana misafidy hanao izatsy na izaroa. Manandrify ny isam-batan’olona na ny antokon’olona mivondrona ity fahalalahana fototra ity. Voarakitra rahateo ao amin’ny fanambarana iombonana momba ny zon’olombelona izany fahalalahana fototra izany. Izany hoe zon’ny olona tanteraka ny ho afaka sy ho malalaka amin’izay tiany tenenina sy heverina ary atao. Amin’ny resa-pivavahana kosa no ilazan’ny konsily Vatikana faha-2 momba ity fahalalahana fototra ity. Zon’ny isam-batan’olona sy ny fikambanan’olona ny misafidy an-kalalahana ny fivavahana tiany harahina eo amin’ny tany ama-monina araka ny fampianarana hita ao amin’ny Dignitatis Humanae na ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana.

Karazam-pahafahana faharoa

Dingana ambonimbony kokoa ity lafim-pahafahana iray ity. Tsy hoe misafidy hiteny na tsy hiteny, na hanao na tsy hanao, na hanao ratsy na hanao tsara, na hivavaka na tsy hivavaka. Misafidy izay soa (beau) sy tsara (bien) ary ny marina (vrai) ny tsirairay na ny antokon’olona mivondrona amin’ity karazam-pahafahana ity. Mety izay manaitra ny maso no antsoina hoe soa sy kanto ary meva ho an’ny maro. Saingy ilay hakanto anaty manaitra ny fo ka mamporisika haka tahaka no resahina eto. Tsy kanto loatra ve ny fihetsika sy fiteny feno famelana nataon’ny Papa Joany Paoly faha-2 tamin’ilay nitifitra azy tamin’ny taona 1981? Tsy meva ve ny fihetsika ataon’ireo olona manampahaizana be kanefa miara-mipetsapetsa amin’ny ireo madinika sy mahantra mba hanandratra azy ireny? Tsy soa loatra ve ny mahita ny fihetsik’i Jesoa Andriamantira miondrika mba hanasa ny tongotr’ireo mpianany? Misafidy izay tsara ara-moraly ireo miaina ao anatin’ity sokajim-pahafahana ity. Samy ahitana ireny fitsipika ara-moraly ifampifehezana ireny ao anaty fiaraha-monina samihafa. Ny fanarahana ny tsara ara-moraly voafehin’ireny fitsipi-pitondran-tena ireny no antsoina hoe olona afaka. Toy izany koa, ny olona miezaka mahafantatra sy miaina ny marina no antsoina hoe olona afaka.

Diso noho izany ny fijery fa ny fandikana ny fitsipi-pitondratena, ny fiainana feno lainga sy fitaka ary ny fanaovana ampihimamba no mamaritra ny maha-olona bebe kokoa. Manetry ny maha-olona ny fomba tahaka izany ka tsy mahagaga raha antsoin’ny Malagasy hoe ‘bibibiby fiaina’ ny olona toy izany. Iza no azo lazaina ho tena olombelona kokoa, i Hitler izay namono olona aman-tapitrisany ve sa i Masera Teresà avy any Calcutta (India) izay nikarakara ireny fadiranovana teny amin’ny arabe ireny? Ampy ity ohatra iray ity ilazana fa tsy ny fanaovana ny hadalam-paharatsiana rehetra izao no amaritana ny maha-olona tena miaina. Ny misafidy izay mitondra amin’ny maha-olona bebe kokoa sy amin’ny fanahafana an’i Kristy tsaratsara kokoa – izany hoe izay misafidy ny soa sy ny tsara ary ny marina – no tena olona afaka.

Manamafy ireo fijery ireo ny fampianaran’i Jesoa. Andevon’ny ota izay manota hoy Izy (Jn 8, 34) ary ny manao ny marina kosa tsy hoe lasa andevon’ny marina fa mahatonga ny olona ho afaka (Jn 8, 32). Tsy mifanalavitra amin’izany ny fijerin’i Md Paoly. Ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ary ny nadefasany ny Fanahy Masina no mitondra fahafahana. Nantsoina ho amin’ny fahafahana ny kristianina; fahafahana tsy natao hanaovan-dratsy fa entina hanompoana ny hafa (Gal 5, 13). Ilay Fanahy nitarika an’i Jesoa tamin’Izy nanao soa tety an-tany no nalefany hitarika ny kristianina koa mba hanohy ny asam-panaovantsoa sy ny asam-ponompoana natombony. Izay misy ny Fanahin’ny Tompo noho izany no misy ny fahafahana (2Kor 3, 17) hanao ny soa sy ny tsara ary ny marina.

Mahary tontolo anjakan’ny fahafahana

Tsy ny tsirairay fotsiny no mampiasa ny fahafahany mba hikatsaka ny soa sy ny tsara ary ny marina fa ireo rehetra izay mivondrona mitambatra anaty fiaraha-monina. Tsy misy rafitra raha tsy misy vondron’olona. Izany no mahatonga ny fampijoroana miaraka tontolo iray na rafitra iray izay tokony mitaratra izany fanajana ny fahafahana tian’ny mpiarama-monina iainana izany. Santatry ny maha-eo ny fanjakan’ny lanitra rahateo izany rafitra manaja ny fahafahana izany. Mety voafetran’ny lafin-javatra maro ihany anefa ny fahafahana toy ny fari-pahalalan’ny olona, ny kolontsaina manefy azy sy ny toerana misy azy ary ny fahazarana niainany hatrizay. Saingy fanomezana ambony avy amin’Andriamantira ka tsy mety ho voageja na oviana na oviana.

Mamy Evariste Rakotondrazanany sj

Lire aussi