![]() |
||||
|
||||
|
Redaction
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur
Tsotra Fiaramanidina Exterieur
Iles Océan Indiens Autres pays |
International
CubaMahazo mividy finday amin’izay ny vahoakaIray volana taorian’ny nandraisan’i Raul Castro ny fitondrana, malalaka ny fahazoan’ny vahoaka any Cuba hampiasa ny finday.
Efa tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19 no isan’ny firenena niroborobon’ny teknika sy ny teknôlôjia i Cuba tany Amerika latinina. Lalamby, fifandraisana an-telefaonina, fahazoana fampitan-tsary amin’ny fahitalavitra. I Cuba koa no firenena tany amin’ny kaontinantan’i Amerika, ankoatra an’i Etazonia, nandefa olona tany an’habakaaka. Nanana ny mahaizy azy i Cuba, araka izany. Izy rahateo no isan’ny firenena mandefa teknisianina sy mpitsabo any amin’ireo firenena mahantra indrindra eran-tany. Nikatona ihany anefa ny vahoaka ao aminy na teo aza izany lazany amin’ny teknolojia izany noho ny politikan’ny mpitondra. Vidin-dafo Misy sarany avo anefa ny fahafaha-misokatra amin’ny fampiasana ireny teknolojia ireny. Aloa amin’ny vola vahiny matanjaka ny fahazoa-mifandray an-telefaonina. Antso iray mianga amina finday, ohatra, mety hitovy amin’ny karaman’ny mpiasa kiobana indray andro. Manodidina ny 12 euros eo ho eo ny karaman’ny kiobana isam-bolana amin’ny ankapobeny. Na izany aza, toa tsy raharahain’ny olona loatra izay hafalosan’ny saram-pifandraisana. Ny zava-dehibe amin’izy ireo dia ny fahafahana mampiasa sy mividy finday. Fananana finday apetraka amin’ny fehikibo, fananana fitaovana famakiana kapila mangirana DVD sy ordinatera. Tian’ny kiobana aseho ny fananana izany ka aleony ny sakafo no atao ambanin-javatra toy izay tsy hanana ireo. Ny tsara indrindra dia ny hamadihana ny fifandraisana hiteraka voka-tsoa. Ny azo antoka dia manana fahafahana kokoa ny mponin’i Cuba amin’ny fampiasana araka izay tiany ireny teknolojia ireny. Afaka mijery horonantsary amin’ny fitaovana famakiana kapila mangirana DVD izay tiany fa tsy izay alefan’ny fanjakana ihany. Afaka mampiasa ordinatera sy manangona izay tahirin-kevitra na vaovao tiany. Afaka mampiasa finday araka izay ilainy. Zava-dehibe ho an’ny kiobana izany eo amin’ny fahafahan’izy ireo izay zatra niaina tanatin’ny geja sy fisakanana samihafa. Eto Madagasikara koa, miroborobo fatratra ny fampiasan’ny olona ny finday sy ny karazana ordinatera matanjaka, indrindra fa matanjaka aok’izany ny dokam-barotra hanjifa. Rendrarendra sa tena ilaina ho an’ny manana azy izy ireny ? Anjaran’ny tsirairay no mamaly fa ny tsara indrindra dia ny hamadihana ny fifandraisana hiteraka voka-tsoa. |
Lire aussi
|
||