logo
Alahady 18 mey 2008 Laharana faha-3571
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur

Tsotra
6 Mois : 9.200ar
1 An : 18.400ar

Fiaramanidina
6 mois : 9.600ar
1 An :1 9.200ar

Exterieur

Iles Océan Indiens
6 Mois : 90.000ar
1 An : 180.000ar

Autres pays
6 Mois : 100.000ar
1 An : 200.000ar

International

Afrika

Zimbabwe : ampihorohoroana ny vahoaka, hifidy ny filoha teo aloha.

Hisy ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena ao Zimbabwe. Tsy maro an’isa ao amin’ny antenimiera intsony koa ny antoko Zanu-Fp. Vono olona sy fandratràna no entin’ny mpomba an’i Robert Mugabe mampihorohoro ny vahoaka, mba hifidy azy amin’izany.

Mahazendana rey olona ny fifikirana amin’ny maha-filoham-pirenena, aty amin’ny kaontinanta afrikanina ! Taorian’ny fanisam-bato fanindroany, dia hirosoana ny fihodinana faharoa ao Zimbabwe.
Misy fari-pifidianana 210 any an-toerana. Ny voka-pifidianana tamin’ny 53 amin’ireo no tsy nankatoavin’ny Zanu-FP (Union Nationale Africaine du Zimbabwe-Front Patriotique). Ny vokatra tamin’ny fari-pifidianana 52 kosa no tsy neken’ny MDC (Mouvement pour le Changement Démocratique) izay mpanohitra ny fitondrana ankehitriny. Marihina fa tao aorian’ny fanisam-bato fanindroany, dia nitarika tamin’ny isa 47% ity farany.

Inona àry no nitranga tao aorian’ny 29 marsa androm-pifidianana ?

Mitety ireo tanàna, indrindra ny any ambanivohitr’ity firenena ity, ireo mpomba an’i Robert Mugabe. Mitsofoka any an-tranon’olona mihitsy ary misava izay tokantrano tondroiny ho tsy « nahay nifidy ». Tsy nahay, satria tsy nanamarika ny anaran’i Robert Mugabe, teo amin’ny taratasim-pifidianana. Tsara ny mampahatsiahy fa taratasim-pifidianana tokana (bulletin unique, araka ilay re teo ho eo aty amintsika !) ny an-dry zareo no entina mifidy, ka izay anaran’ny olona fidianao no asiana marika eo anilany. Opération Makavhoterapapi, fitenim-paritra any amin-drizareo, adika tsotra hoe, anaran’iza no nomarihinao ? No ilazàn’ny any an-toerana izany fomba izany.

Niditra tao an-tokantranon’ny zazavavy iray antsoina hoe Privilège Chikwana àry ireto olona ireto. I Privilège dia vao 15 taona. Tsy mbola mpifidy akory izy. Ny reniny kosa, 38 taona, no tena nokendrena satria « voampanga » ho nifidy ilay kandidà tsy izy. Nentin’izy ireo nankany amin’ny sekoly ao amin’ny tanàna antsoina hoe Chiwaka i Privilège. Niaraka tamina olona am-polony maromaro voalaza fa mpomba ny mpanohitra. Nolazaina tamin’izany fa miaroaro foana an-dreniny i Privilège ka izany no antony ikapohana azy ! Santionany io tranga io.

Ny fitsidihana ny hôpitaly iray, tsy an’ny fanjakana ao Harare dia ahitàna olona maratra maro, niharan’ny herisetra. I Privilège sy i Faustina reniny dia anisan’ireo. Ao koa izany sasany, tapa-tanana izany. Ao ireo may, nodorana tamin’ny bozaka mirehitra nafafy sy natsipy teny aminy. Ny komandà iray misotro ronono, 62 taona, dia tapaka taolan-tratra maromaro. Ny lehilahy iray hafa, nanatrika ny famonoana tsy misy indra fo teo imasony, ny rahalahiny. Ny antoko mpanohitra tarihin’ny kandidà Morgan Tsvangirai moa dia nampahafantatra fa efa nahatratra 25 ny isan’ireo maty novonoina nandritra izay fotoana izay. Entin’ireo mpihetraketraka ireo mitety tanàna ny isam-bato azo isaky ny biraom-pifidianana. Any amin’ny toerana nahazoan’ny mpanohitra vato betsaka dia manao ny asa fampihorohoroany izy ireo. Mamono, mandratra, mandoro tranon’olona am-polony… Famaizana hono izany, ary fampitandremana mba hahay mifidy amin’izay amin’ny manaraka !

Fitondrana inona moa izany ity bodoina ao anatin’ny di-doha, ny ramatahora, ny didiko fe lehibe sy ny rà mandriaka ity ? misy fitenim-bazaha manao hoe : Ny fahazotoan-komana hono, tonga eo am-pihinanana. Izany kosa anefa tsy hoe : hisesika sy tsy hahalala voky mandra-pahafatiny ny olona. Mahalasa saina ary mahamenatra mihitsy aza, ny mijery ireto mpitondra ny firenena mahantra, mitsentsitra ny harem-pireneny ary mambotry sy mahavatra mamono ny mpiray tanindrazana aminy, mba hifikirana amin’ny seza.

Noëlle

Lire aussi