![]() |
||||
|
||||
|
Redaction
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur
Tsotra Fiaramanidina Exterieur
Iles Océan Indiens Autres pays |
Faritra
Farafangana, 19 Avrily 2008Fa mba ho aiza isika ityMpampianatra ny tena, mpanabe ihany koa. Mitondra kasikety roa araka izany dia ny maha raiamandreny sy ny maha mpampianatra fa tsy mpitondra fanjakana kosa. Raha mpitondra fanjakana aho dia hoafaka nanao lalàna hiarovana ny teny malagasy sy ny fomba amam-panao ary ny soa toavina malagasy? ary ho lalàna tena hampiharina sy hiainana. Fa amin’ny finiavana handiso ny zavatra ampianarinay no mahakivy, ka ireo mpanankanto lazaina fa sangany ireny no mamalan-kira eto. Izy ireny natao ho hitsikitsika kanjo lasa fandrama sy papango hamono ny zanakakoho. Ohatra vitsivitsy no zaraina eto: raha mampianatra ny “verbe manquer” izahay dia manoratra ny hoe “Tu manques” amin’ny “tu”. Disoin’ny mpanakanto ny ampianarinay ka lasa “tu mank”. Ny ao amin’ny dokambarotra ao amin’ny tele manginy fotsiny. Ireny no afafintsika any an-tsain’ny ankizy sy ny tanora. Ka omen-drariny ve izy ireny ry tomponandraikitra isany, sa kosa izahay mpampianatra rehetra no nilaozan’ny toetrandro ka tsy maharaka ny firafitry ny teny amin’ny endriny vaovao any ivelany any? Nefa sao kosa àry ireto mpanakantontsika ireto no ... Amin’ny maha raiamandreny indray dia izao : mba milalao tantara an-tsehatra ihany ny tena taloha, indraindray. Tamin’izay dia nofadiana mihitsy ny miamboho sehatra, fa toy ny manompa ny mpijery. Ankehitriny anefa na eny ambony sehatra na eny amin’ny fahitalavitra sy video, hatrany amin’ny faratampon’ity firenena ity ka mahazo ny sarambabembahoaka dia voatondro vody sy voatifitra daholo, voaompa. Jereo moa ireo mpandihy enkehitriny ! Ankoatry ny hetsika manaitra sy mampianatra ny filan’ny nofo sy ny ara-nofo. Dia manala manisy toy ny mpimasy ratsy eto isika mianakavy amin’ity lazaina hoe ady amin’ny sida ity. Dia velom-panontaniana amin’ny tena sy aminao aho hoe: inona na ny inona marina no tadiavina eto amin’ity firenena malagasy ity. Resahina matetika koa ny “pédophilie” sy ny fanolanan-jaza madinika voatavo tsy mifandraka, nefa dia ireny vavikely sy lahikely ireny no efa anisihana sahady an’izany any an-tsainy matory any. Asa izay hevitry ny psikology malagasy, raha misy ny amin’izany? Zava-doza, araka ny hevitray, toy ny halatra taolam-paty sy taova izy ity, nefa dia mahazo tsodrano amin’ny rehetra ireny rehetra ireny, mba tsy hitenenako ankolafy iray, ary sanatria toa efa tafiditra amin’ny kolontsaina malagasy? Ny vola sy ny tombontsoa manokana no manjaka eto amin’ity tany ity. Ka aiza isika ity ? Koa ampangaina eto amin’ny Fitsaran’ny Hasina maha olona sy ny maha Malagasy ireo manitsakitsaka izany. Tsy ho vazaha tandrefana na oviana na oviana isika fa raha mikiry ho amin’izany dia tailana. Ny efa any aminy aza lazainy manery toerana azy. Ary aiza ity hoe hambom-pom-pirenena ity e, tsy vitan-dresaka io. Mba fanabeazana ny Olona tahaka ny ahoana no tadiavintsika ? Samia mamisavisa, hoy izay hiran’i Dedesse izay. |
Lire aussi
|
||