logo
Alahady 18 mey 2008 Laharana faha-3571
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur

Tsotra
6 Mois : 9.200ar
1 An : 18.400ar

Fiaramanidina
6 mois : 9.600ar
1 An :1 9.200ar

Exterieur

Iles Océan Indiens
6 Mois : 90.000ar
1 An : 180.000ar

Autres pays
6 Mois : 100.000ar
1 An : 200.000ar

Faritra

Tsy tambo isaina ny fahasahiranan’ireo mpiraoka andian’omby

Lalina ny fahasorenan’ireo mpamily fiara rehefa mifanena na manaraka ireny andian’omby ireny. Mbola sahirana amin’ny lafiny maro koa ireo mpandroaka omby mandalo tanan-dehibe toa an’i Fianarantsoa.

Tsy mahamaika ny maika rehefa sendra ny fandalovan’ny andian’omby. Indray alakamisy maraina dia nandeha tsy taitra nanaraka ny lalana RN7 iny izahay. Nony tonga tao Talatamaty amin’ny fiviliana ho any Ankofafa Fianarantsoa iny, dia indreto andian’omby marobe. Vao nidina teo amin’ny mpivarotra dia efa nikatso. Tsy nahandry ity fiara kely ka niakatra nandeha tamin’ny “sens unique” tsy azo andehanana. Inona tokoa fa lalana tokony ho natao 10 miniotra dia nalaina 45 miniotra. Mahagaga fa rehefa mahazo tetezana dia midongy tsy mety mandeha ny omby, hany ka voatery niandry teo amin’ny tetezana avokoa ireo fiara mitandavana alohan’ny handehanana any amin’ny Don Bosco. Eo koa no hivily ireto andian’omby hihazo ny lalan’Ikalamavony iny.

Tsy ny fiara ihany no manahirana ireto mpiroaka omby eny andalana aman-kilometatra maro, satria dia hatrany ifotony no manazatra ireo omby amin’ny fiara izy ireo. Tonga ao Ampahidrano dia mifanandrina amin’ny polisy mpisava ny taratasin’omby. Indro tokoa ireo polisy monisipaly, mitondra 4L fa miandry ny fandalovan’ireto andian’omby. Jerena aloha ny taratasy raha ara-dalana tokoa ny fivoahan’ny omby, avy eo dia mandoa vola efajato isaky ny omby. Teo aloha dia roanjato fa araka ny fisondrotry ny fiainana dia miakatra koa ny saran’ny vola alaina amin’ny omby mandalo. Raha amin’ny lalàna dia tokony hisy rosia ireny vola voarain’ny tompon’andraikatra ireny, kanefa dia mandeha amin’izao ireo olona rehefa manolotra ny anjara volan’ombiny. Maro fahavalo tsy maintsy sedraina eny an-dalana ireto mpandroaka omby ireto.
Samy manana ny ombiny manko ireny olona ireny. Tsy mazava aloha izay anton’ny fisavana na hoe tsy maintsy voasava avokoa ireny omby ireny isaky ny hivoaka na hiditra tanàna iray. Fa araka ny fantatra dia misy omby miverina indraindray, izany hoe averin’ireo manao ny fisavana. Miditra fourrière. Ireo omby lasa alohan’ny namany no tratran’ity famerenana ity. Dia ireny omby ireny ve no tsy mazava na sendra nandeha alohan’ny namany ? Araka ny voalazan’ireo mpandroaka omby dia sahirana izy ireo amin’izao fandoavam-bola izao, saingy tsy afa-manoatra. Iza tokoa ary no mandoa ny vola ny tompon’omby ve sa ireto mpandroaka ? Raha ny fantatra aloha dia ireto mpikarama no mandoa ny vola fa avy aiza no andoavany azy ?

Mahagaga ihany tokoa ny fisavana ary fakana vola amin’ny kaominina sasany, misy kosa mandeha amin’izao. Inona no anton’izany ? Raha volabe toy izany no miditra, satria omby aman’aliny no mandalo isan-kerinandro dia vola aman-tapitrisa izany no azon’ny kaominina. Manaraka izany aiza no ahitan’ireto mpikarama mandroaka omby vola ? Izay no tsetsatsetsa tsy aritra mahakasika an’ireny andian’omby ireny. Ho an’ireo omby entin’ny kamio moa dia mazava fa misy toerana efa voatondro tsy maintsy andoavany vola ary anaovana fisavana. Fa ireto farany no tsy fantatra mazava. Mila ny fanazavan’ny tomponandraikitra fa mitaraina ny mpandroaka omby.

Mety hitombo izany ny vidin’ny omby mandra-pahatongany amin’ny toerana hijanonany farany. Eo aloha ny fandoavam-bola eny an-dalana. Misy koa ireo omby mety ho vizan’ny dia lavitra dia ho faty eny an-dalana. Ankoatra izany mety ho sakanan’ny jiolahy eny am-pandroahana ireny omby ireny. Ny vola fitady, hoy ny fiteny, fa ny ain’ireny mpandroaka omby ireny koa no mety atahorana, noho ny aretina isankarazany, ny havizanana, ny hanoanana. Maro fahavalo tsy maintsy sedraina eny an-dalana ireto mpandroaka omby ireto. Mety hibaby ny vokatr’izany ihany koa ireo mpanjifa eo amin’ny fiakaran’ny vidin’ny omby. Fomba fitadiavana iray matanjaka ary fanao ity mikarama mandroaka omby ity. Ministera iza no miahy azy ireny? Mba mety hisy ve ny rafitra matipaika hirosoana amin’ny fampandrosoana maharitra ?

Mihalijaona

Lire aussi