logo
Alahady 18 mey 2008 Laharana faha-3571
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur

Tsotra
6 Mois : 9.200ar
1 An : 18.400ar

Fiaramanidina
6 mois : 9.600ar
1 An :1 9.200ar

Exterieur

Iles Océan Indiens
6 Mois : 90.000ar
1 An : 180.000ar

Autres pays
6 Mois : 100.000ar
1 An : 200.000ar

Faritra

Lasa « bizina » ny fahasalam-bahoaka

« Izay marary andrianina ». Teny filamatra fandre amin’ny sehatry ny fitsaboana. Tsy araka izany loatra anefa ny hita amin’ny andavanandrom-piainana.

Tsy handalan’ny Malagasy harena ny fikatsahana fahasalamana. Ikarohany ny tsy misy, hamarotany fananana. Sarotra inoana kanefa zava-misy fahita eny anivon’ny toeram-pitsabaoana ny fandanian’ny fianakavian’ny marary vola an’hetsiny na an-tapitrisany ariary aza hikatsahana fahasalamana. Indraindray anefa, tsy ahitam-bokatra izay fitsaboana atao. “Ny mampalahelo, hoy ity mpanaraka ny marary iray, dia toa tsy mivaky loha amin’izay vola hivoaka am-paosin’ny marary na ny fianakaviana ny mpitsabo”. “Tsy omena tsiny koa anefa ny dokotera amin’ny fampanaovany analizy isan-karazany, hoy ity dokotera iray, satria tsy afaka mitsapatsapa fotsiny amin’izao izy amin-javatra sasany izay ilàna izany”. Miainga amin’ny fizahana siantifika tokoa izy ireny. Dia lasa eritreritra ny marary fa hanaovan’ny dokotera bizina ny fitsaboana azy. “Mety ho marina izany, hoy ny fanamarihan’ny dokotera iray, fa any amin’ny resaka fanaovana analizy no misy ny bizina satria misy ny laboratoara mifampiraharaha aminy amin’izay fikarohana otrikaretina atao, - mety resaka fanafody koa”. Samy manana ny sarany tokoa ireny laboratoara ireny izay maromaro ihany eto amintsika, indrindra ny ao Antananarivo. Samy manana ny lazany koa. Tsy vitan’ny vola an’anarivony intsony ankehitriny ny fitsaboana.
Misy ohatra ny “échograhie” miainga amin’ny 9000 Ariary ka hatramin’ny 40 000 Ariary. Ka raha samy mitovy ihany, izay mora no alehan’ny olona. Indraindray anefa tsy eken’ny dokotera mpampanao ny analizy raha tsy tany amin’izay natorony. Ny fanafody koa dia misy ny mahita lalana hafa noho ny eny amin’ny farmasia.

Resahana betsaka ity fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka ity. Resaka saropady satria iankinan’ny aina. Saingy mbola lavitra ezaka ny hahatsimialonjafy azy. Raha tsy eo ny vola, ho sarotra ny hahita fahasitranana. Misy raha tokony ho jerena ao satria lafo loatra ny fitsaboana eto amintsika. Tsy vitan’ny vola an’anarivony intsony ankehitriny ny fitsaboana, indrindra raha miditra hopitaly fa an’aliny sy an’hetsiny ariary. Mamono vahoaka izany, indrindra amin’izao fidangan’ny vidim-piainana tsy hay tohaina izao.

R. Hr

Lire aussi