![]() |
||||
|
||||
|
Redaction
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur
Tsotra Fiaramanidina Exterieur
Iles Océan Indiens Autres pays |
Edito
Mahasoa ve ny fanovàna matetika ny olona sy ny rafitra ary ny lamim-pitondrana?Dia iny notanterahina teo iny ny fanovàna governemanta eo anivon’ny fitondram-panjakana. Minisitra dimy vaovao no nampidirina ary telo no nisaorana. Fanintelony sahady izao no nasiam-panovana ny governemantan’Atoa Charles Rabemananjara. Vao herintaona mahery anefa no eo am-perinasa. Governemanta fahavalo nitsangana hatramin’ny nitondran’ny filoha Ravalomanana tamin’ny taona 2002. Izany hoe raha atao ny salanisa dia saika miova indray mandeha isan-taona! Samy manana ny fijeriny ny olona. Fihetsiketsehana fotsiny no betsaka, hoy ny sasany. «Aleo ovaina rehefa tsy mahavita azy», hoy indray ny hafa. Mipetraka ihany moa ny fanontaniana raha tena tsy fahombiazana tokoa no anton’izao fanovana izao. «Ovaiko matetika raha izany no hampandeha malaky sy tsara ny raharaha,» hoy ny filoha Ravalomanana. Mety hiaraka anefa ve ny tsara sy ny malaky, fanontaniana izay somary manitikitika ny saina. Misy lafitsarany izao fanovana sesilany izao. Anisan’izany ny fialana amin’ny fifikirana amin’ny seza. Andrasana ho potika ny sampan-draharaha vao mikoropaka manolo ny tompon’andraikitra. Noho ny fijanonana ela eo amin’ny toerana iray dia velona ny didin-ko fe lehibe sy ny afera madinidinika. «Tsy fanaonay ny manolo ekipa mandresy,» hoy ny amiraly Didier Ratsiraka fony androny. Vokatr’izany dia nikatso ny fandehan-draharaha. Maro ihany koa anefa ny olana ateraky ny fanovana olona sy rafitra matetika. Misongadina amin’izany ny tsy fahamarinan-toerana. Miovaova soratra toa tanalahy ny andraikitry ny ministera sasany taorian’ny fanovana farany teo. Tsy voatery hidika fahombiazana anefa izany. Diniho fotsiny ny miseho eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazana. Farafahakeliny inefatra niova ny olona sy ny rafitra ary ny lamina ao amin’io ministera io nandritra ity fitondrana ity. Raha departemanta tokana teo aloha dia natao roa avy eo (nasiana minisitra lefitra). Tampoka teo anefa nakambana ho iray indray. Dia izao nozaraina roa izao indray ka ahitana minisitra lefitra misahana ny fampianarana ambony sy ny teknika. Azo saintsainina ny korontana aterak’izany eo amin’ny rindran-damina anatin’ny ministera. Ry zareo ireo anefa miatrika fanamby goavana dia ny fanovana ny lamim-panabeazana eto Madagasikara. Marina fa eo am-pandrasàna ny atiny no ahitana ny aferony. Ny traikefa tokoa manko no azo dia noho ny fiatrehana ny zavamisy. Tsy mety koa anefa ny manova zavatra matetika loatra. Fomba fanao toa midika fa na ny fanjakana aza toa tsy resy lahatra amin’ny fanapahan-kevitra raisiny. Toa faly manandrakandran-javatra fotsiny, ny fotoana anefa mihazakazaka. Vidin’ny firenena lafo dia lafo ny fanovana sesilany. Tsy tokony adinoina fa mandany vola be ny famezivezena sy famindrafindrana olona sy fitaovana. Dia efa hanananika ny faha-48 taonany ve ny firenena dia mbola revo amin’ny fitsapatsapana foana? Aoka re mba hodinihina tsara ny zavatra atao vao tanterahina. |
|
||