logo
Alahady 18 mey 2008 Laharana faha-3571
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur

Tsotra
6 Mois : 9.200ar
1 An : 18.400ar

Fiaramanidina
6 mois : 9.600ar
1 An :1 9.200ar

Exterieur

Iles Océan Indiens
6 Mois : 90.000ar
1 An : 180.000ar

Autres pays
6 Mois : 100.000ar
1 An : 200.000ar

Economie

Tetikasa manampy amin’ny fivoarana ny Pic

Maro ireo karazana tetikasa ho an’ny fampandrosoana tohanan’ireo mpamatsy vola avy any ivelany eto Madagasikara. Anisan’izany ny tetikasa Pic.

Notanterahina ny 8 mey 2008 lasa teo ny fanaovan-tsonia mikasika ny famatsiam-bola fanampiny ho an’ny tetikasa Pic avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny governemanta Malagasy.

Tamin’ny 13 jolay 2005 no nisy ny fifanarahana famatsiam-bola voalohany teo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Banky iraisam-pirenena ho an’ity tetikasa Pic ity izay nahatratra 129 tapitrisa dolara. Ny 28 septambra 2005 kosa no tena niantombohan’ny tetikasa voafetra mandritra ny 5 taona izay tokony hifarana ny volana desambra 2010. Araka ny fangatahan’ny governemanta Malagasy anefa dia niampy 40 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ka tsy hifarana ny tetikasa raha tsy ny faran’ny taona 2012. Tsy araka ny vinavina ny vola nilaina hamitana ireo asa rehetra ka izany no antony nangatahana fanampiny tamin’ny famatsiam-bola. Ny hitrandrahana ny hery ara-toekaren’ireo Faritra no kendrena.
Isan’ireo asa mbola ho vitaina ny fanamafisana ireo rafitra natao hanampy ny firoboroboan’ireo orinasa madinika sy salasalany manerana ny Faritra maro, ny fanatsarana ny làlana, ny seranan-tsambo ary ireo fotodrafitrasa an-tanan-dehibe. Eo koa ny fanomezan-danja ny angovo misy eny an-toerana, ny fanatsarana ny fanatanterahana ny tetikasa ary ny fanamafisana ireo rafitra eny amin’ny toerana iasana. Antenaina ho vita amin’ity volana mey ity ny tambajotran-drano madio any Nosy Be ary ny volana novambra kosa ny seranan’tsambo Ehoala any Tolagnaro. Nahatratra 92 tapitrisa dolara ireo fifanarahana natao (montant des contrats engagés) anivon’ity tetikasa Pic ity ny faran’ny taona 2007 izany hoe 71% n’ny famatsiam-bola. 49 tapitrisa dolara kosa ny vola efa nampiasaina (décaissement) tamin’io fotoana io ihany.

Ny tsara ho fantatra

Tetikasa iray natao hanampy tosika ny fivoarana ara-toekarena miainga amin’ny fototra ara-tsosialy ny tetikasa Pôles Intégrés de Croissance (Pic). Tanjony ny fandrisihana ireo toerana manintona hisian’ny fandrosoana. Ny hitrandrahana ny hery ara-toekaren’ireo Faritra no kendrena. Ampiany tosika araka izany sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ireo sehatra ara-toekarena mamokatra. Miisa telo ankehitriny ireo toerana ifantohan’ny tetikasa Pic: Nosy Be, Antananarivo-Antsirabe ary Tolagnaro. Mizara telo ny asa sahanin’ny tetikasa. Ao anatin’izany ny fanajariana ny tany amin’ny alalan’ny asa fanamboarana sy fanatsarana ny fitaovana sy ny servisy an-tanan-dehibe ary ny fotodrafitrasa mikasika ny làlana sy ny seranan-tsambo. Manaraka izany ny fitsinjaram-pahefana ka hamafisina ny fitantanana eo an-toerana. Farany ny fanatsarana ny rivotry ny fandraharahana handrisihana ny fampiasam-bola avy amin’ny sehatra tsy miankina.

Tsy manome vola mivantana ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina ny tetikasa Pic ankoatra ny fanampiana ireo seha-pamokarana mamokatra (filières porteuses). Misy kosa ireo fanamaivanana ny fahazoan’ireo orinasa madinika sy salasalany famatsiam-bola eny anivon’ireo toerana natokana amin’izany toy ny banky. Ankoatra izany, manampy asa natao hampiroboroboana ny fizahantany ny tetiksa Pic.

Ny hisian’ny vokatsoa ho an’ny mponina sy ny toerana iasan’ny tetikasa no andrandraina amin’itony tetikasa itony. Antenaina ny hampipaka izany amin’ny fiainana andavanandro.

Nirinarisoa M