![]() |
||||
|
||||
|
Redaction
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur
Tsotra Fiaramanidina Exterieur
Iles Océan Indiens Autres pays |
Culture
Lalaom-pianakavianaRaikitra ny fifaninanana mizara karatraTia milalao karatra ny Malagasy. Rami sy belote no tena hita ataon’ny olona. Misy vonona hikarakara fifaninana belote, bridge ary tarot sy hampianatra satria tsisy ny federasiona.
Isan’ny mahavariana ny mpianakavy ny lalao karatra. Misy vanim-potoana koa anefa izany. Raha ankehitriny dia ny rami no tena mahavariana ny fianakaviana na ny mpiray tanàna rehefa tafahaona izy ireo. Saingy ny olana dia tsisy tsirony ny lalao rami raha tsy ao ny taingina. Lasa loka izy amin’izay fotoana izay. Tahaka izany koa ny poker. Izay no tsy nakan’ireo mpiandraikitra an’ireo lalao roa karazany ireo. Ny andro hanaovana ny fifaninana dia ny alarobia, asabotsy sy alahady tolakandro. “Nofinidy izany mba hahafahan’ny mpianatra mandray anjara” hoy Iony Andriantsitohaina, iray amin’ireo mpandrindra ny lalao. Ny fifaninanana dia mitsinjara ho toy izao. Isaky ny efatra herinandro dia mifaninana ny mpilalao. Mahazo isa izy araka ny lalao ataony. Ireo 16 nahazo vokatra tsara nandritra izy efatra herinandro izay no miatrika fifaninanan’ireo kalaza (tournoi des maîtres). Isan’ny mahavariana ny mpianakavy ny lalao karatra.Tahaka izay hatrany amin’ny volana desambra. Misy roa ny sehatra ahafahana mandray anjara dia ny olon-tokana (individuel) sy ny isan-tarika (par équipe). Ny tsirairay dia afaka mandray anjara amin’ireo karatra telo karazany ireo. Ny isan’ny olona anaty ekipa iray dia tsy voafetra. Ny toerana hanaovana ny fifaninanana isan-kerinandro dia miova hatrany. Misy 13 ireo ivotoerana (Alliance Française, Cercle Mess Fiadanana…), hotely (Hôtel Grégoire…) sy trano fivahinianana (Karibo Hôtel…) ary sekoly (Iscam…) nanaiky handray ny fifaninanana. “Tsy tanjona ny hahazo loka. Ny fahafinaretana miala-vola amin’ny alalan’ny lalao karatra no tiana ho zaraina. Ho anay dia lalao mampiasa saina, mila fahaizana mametraka paikady ny lalao karatra” hoy Andrianjaka. Ny loka mety ho azo dia zavatra mivaingana ary ho lazaina any aoriana mety ho tele na tapakila fiaramanidina izany… “Noraisinay ny andraikitra satria tsisy ny federasiona amin’ireo kilalao karatra ireo” hoy ireo miandraikitra. Misy ny fampianarana ireo te hilalao. Manomboka amin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 7 alina ny fampianarana ao amin’ny foiben-toeran’ny mpiandraikitra. Razaka Oliva koa dia nanambara fa vonona hampianatra tarot ho an’izay mila izany. Ho azy dia ny tarot no nipoiran’ny lalao karatra rehetra. Kilalao mampiasa saina ny lalao karatra saingy mety hahavery saina raha tsy mahafehy tena. Maro ireo mpianatra no tsy mahatsiaro ny ora fianarana. Vahaolana ve ny fanaovana fifaninanana ? |
Lire aussi
|
||