logo
Alahady 18 mey 2008 Laharana faha-3571
Adresse
Antananarivo
CNPC Antanimena
BP 7524 Antananarivo
Fianarantsoa
Trano Printy Md Paoly
Ambatomena BP 1169 Fianarantsoa
Abonnement
Interieur

Tsotra
6 Mois : 9.200ar
1 An : 18.400ar

Fiaramanidina
6 mois : 9.600ar
1 An :1 9.200ar

Exterieur

Iles Océan Indiens
6 Mois : 90.000ar
1 An : 180.000ar

Autres pays
6 Mois : 100.000ar
1 An : 200.000ar

Culture

Teny sy Vato

Fampirantiana manakona ny mirantiranty

Efa nandalo teo ny landy. Teo koa ny vakodrazana niaraka tamin’i Dada Gaby. An’ny vato indray izao. “Teny sy Vato: andrin’ny kolotsaina mivoy toekarena”. Nefa koa vato manorotoro ny mahaolona.

Mitohy ny hetsiky ny Akademia Malagasy ho an’ny taona iraisam-pirenena ho an’ny teny. “Mifaningotra ny teny, ny vato sy ny kolotsaina”, hoy I Razafimamonjy Fanja mpiandraikitra ny fampirantiana ataon’ny Akademia Malagasy momba ny teny ao amin’ny Tahala Rarihasina.

Tantara

Tsy mba hita firy teo amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy fahiny ny vato. Tsy dia niova firy izany finoana izany. Mampiasa vato voakira sy efa nahodina ny ankamaroan’ny gasy fa tsy dia tia vato tsotra fotsiny. “Mangatsiaka ny vato. Tsy misy aina izany ho an’ny malagasy. Fahafatesana no heviny”. Fanaovana trano fonenan’ny maty ny vato ho an’ny ankamaroan’ny foko eto Madagasikara. “Trano vato”, hoy ny hiran-dRackicky. James Cameron sy ry Jean Laborde no nitarika an-dRamalagasy hiara-honina amin’ny vato. Miavaka tsara hoa an’ny Malagasy ny hoe trano sy ny trano vato. Saika ny tranon’ny misiona mbamin’ny tranom-bazaha no natao vato. Mbola mitarika fahatsiarovana ratsy foana ho an’ny Malagasy maro mandrake ankehitriny ny fahitana ireny trano vita vato. “Trano mampihorohoro … fonenan’ny angatra …”. Hany ka na naka tahaka ny taotrano anglisy aza ny Malagasy, tsy mba nataony vato ny azy. Fototra ihany no nataony vato.

Taratry ny mandrakizay

Tandindona mampifandray ny maty sy ny velona ihany koa ny vato. Nataon’ny ntaolo famantarana hampahatsiaro tranga iray ny vato. Teo no nahateraka ny tsangam-bato, ny asan’ny vatolahy, ny vatovavy. “Efa nataon’ny Malagasy famerana sisin-tany sy fari-pananana ny vato. Nanjary harena sy vola tsy lany trandrahana ny vato.Tsy vaovao taminy akory ny borne”, hoy ihany Razafimamonjy Fanja. Eo ny maha mafy ny vato, fa teo indrindra ny finoan’ny Malagasy fa afaka mamakivaky ny fotoana ny vato. Miserana ny aina sy ny fanahy. Ny vato no afaka hirakitra sy hitahiry hafatra. Ny lovantsofina napetrany tamin’ny taranany fa ny hafatra napetrany ho tahirizin’ny vato. Tandindon’ny mandrakizay ny vato.

Tsy miova akory

Nivavahan’ny Malagasy ny vato noho izy sady tandindon’ny mandrakizay no mpanelanelana ny maty amin’ny velona. Na tsy nivavahana intsony aza ny vato ho an’ny kristianina dia mbola nohariny tamin’ny vatolampy itokisana ilay Kristy tompoiny.
Nivoatra ny tontolo. Nanjary harena sy vola tsy lany trandrahana ny vato. Manankarena amin’ireny ny Malagasy. Saingy harena anjakan’ny vahiny: eropeana, sinoa, kanadiana, ny karana sy ny tatsinanana …. Nanjary maro indray nandeha nivavaka tamin’ny fihadiana vato. Vato taratry ny fiainana andavanandron-dRamalagasy.

Teny, kolotsaina, vato, toekarena

“Teny Malagasy: ibeazako, ahombiazako”, hoy ny teny manetsika izao taona iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny izao. “Ny kolotsain’ny tena, ny maha izy sy maha izay ny tena no tsy maintsy entina mifandray amin’ny hafa raha te hahomby”, hoy ireo akademisiana. Sombiny amin’ny lalam-pihariana harena ny vato. Resy lahatra izy ireo fa “raha manana finiavana hahomby amin’ny alalan’ny fampiasana ny teny Malagasy isika dia hahomby tokoa. Ny finiavana no tsy misy. Tsy resy lahatra amin’ny antsika isika”.

Mahafatifaty ery ny mijery an’ireo vato samihafa aranty ao amin’ny Tahala Rarihasina. Misy ny hatramin’ny Ariary dimy tapitrisa. Saingy indrisy fa tsy misoratra eny ny anaran’ireo vato. “Nefa vato ve hiteny izay anarany !”. Tsy naranty tao ihany koa ny fiainana ambadik’ireny vato sy vatosoa sarobidy ireny. Firifiry ny zazakely mondro tanana amin’ny fikapohana vato. Ny ray sy renim-pianakaviana sempotry ny fikirakirana vato. Saingy efa voadio tsara ireto vato ka adino fa vovok’aina maro no raraka vao kanto ireny. Kolotsaina manarona kolompiainana.

R. Dafy Antonio

Lire aussi